Hira gasy (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha misy mihambo masiaka any ho any
Ny aty vain’afo mandoro avy hatrany,
Fa raha misy mihambo mangidy tsy laitra
Ento atý mba hahita ny tena mafaitra.

Ekena fa lamaody ny hiram-bazaha
Kanefa ny an’ialahy tsy mena mitaha,
Dia ho rariny ve rehefa mahitahita
Ny hanao ny an’ny tena ho valalan’alika.

K’indreto zahay re ry dada sy neny
Hitady ny very fa zaza navela,
Ry zoky, ry zandry, jereo ny hirantsika
Aza avela ho zary valalan’alika.

Raiso ny kabosy, tendreo ny valiha
Avereno ny kalon’ikaky fahiny,
Araho hirahira sy angola ary dihy
Tsy ho mena mitaha amin’izato vahiny.

Eee ento mora ndrematoa
Eee ento mora sombiniaina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 4654
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 01/02/2015 00:57
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012