Dia maninona (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia maninona an'ialahy
mampaninona an'ialahy
ny fiainanay raha mavomavo
toa mahafaly an'ialahy
toa mampihomehy an'ialahy
raha potraka izahay na lavo
raha mba misy izay tsy mety
tsinontsinona iny akory
kinga ery ialahy mandrava
aza tsikerain'ialahy
aleo anay ny fiainanay
ndrao dia potika eo ity vava

Dia maninona an'ialahy
mampaninoa an'ialahy
ny fihevitray raha menamena
Fa angaha raha tsy mitovitovy
amin'izany fihevitr'ialahy
tsy mba azon'ialahy ekena
fa angaha ilay ity ny mokondohanareo irery
eto ambonin'ny tany
no tsy maintsy tohaina
Fa raha mba ny hafa no miteny
vola baoritra izy ireny
ka mangina fa tsy ilaina (bis)

Fa na mavo any io na mena
tsy azo n'iza n'iza hosena
na fotsy any io na maramara
tsy mila anao hikarakara
Fa na mavo any io na mena
tsy azo n'iza n'iza hosena
Na mainty toy ny saribao
na fotsy toy ny lamba miahy
ahy io fa tsy an'ialahy
Na mainty toy ny saribao
na mena toy ny voatabia
ahy io fa tsy an'ity

Dia maninona an'ialahy
mampaninona an'ialahy
na fotsy na mainty ny hoditray
ny fosafosan'ialahy
ny bitsibitsik'ialahy
hatsaharo ampy izay
fa ny hain'ialahy hainay
ny hainay tsy ary ho hain'ialahy
k'aza mifanambanimbany
fa n'inon'inona ilaina
na ny sandry na ny saina
samy manana an'izany (bis)

Dia maninona an'ialahy
mampaninona an'ialahy
ny lanitray raha mba miha manga
toa izay rehetra mahavita
miezaka ho tafita
ambakaina ho vangavanga
fa ny asa vitan'ny teo aloha
sy izay mba fiaviany koa
ody odiana tsy jerena
angaha misy olona natao
ho mafy ady lava izao
fa anjaran'ny hafa ny hanankarena
fa angaha misy olona natao
ho olona zefa lava izao
fa tsy hahalala hiavotena

Ka na mavo any io na mena
tsy azo n'iza n'iza hosena
na fotsy any io na maramara (na hafa koa)
tsy mila anao hikarakara io (andriamatoa)
Fa na mavo any io na mena
tsy azo n'iza n'iza hosena
Na mainty toy ny saribao
na fotsy toy ny lamba miahy
ahy io fa tsy an'ialahy
na mainty toy ny saribao
na mena toy ny voatabia
ahy io fa tsy an'ity
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 2323
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 13/01/2020 23:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.075