Avelao ho avy (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Raha maizina, ny andronao anio.
Oram-baratra! arahin-tadio.
Hira tsotra iray no ataovy an-doha
Hira tsotra izay mankahery fo
Aiza no misy zavona tsy hisava.
Aiza misy haizina tsy hazava!

FIV:
Avelao ho avy izay ho avy e!
(Avela ho tonga ny olana)
Avelao ho avy izay ho avy e!
(Hilatsaka ny orana e! Mama a!)
Avelao ho avy izay ho avy e!
(Ny olana ve tsy hisy foana)
Avelao ho avy izay ho avy e!
(Mandra-pà tapitrin'ny taona)
Avelao ho avy izay ho avy e!
(Ho tsenaintsika kalokalo izy e!
Avelao ho avy izay ho avy e!
Dia hisava iray & valo ô!

2- Raha manjombona, ny fiainanao anio
Tako-drahona, izao no tadidio.
Hira tsotra iray no atoro anao
Hira tsotra izay, hira toy izao:
"Oram-batravatra, avelao hitrao
Tsy hijanona aiza io rehefa lao.

FIV:
Avelao ho avy izay ho avy e!
(Avela ho tonga ny olana)
Avelao ho avy izay ho avy e!
(Hilatsaka ny orana e! Mama a!)
Avelao ho avy izay ho avy e!
(Ny olana ve tsy hisy foana)
Avelao ho avy izay ho avy e!
(Mandra-pà tapitrin'ny taona)
Avelao ho avy izay ho avy e!
(Ho tsenaintsika hirahira izy e!
Avelao ho avy izay ho avy e!
Dia hisava iray & valo ô!
:) FRAPOLI Tsitsï Ryan
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 2885
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tsitsiiloparf
Daty : 01/02/2020 08:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1043