Ampy izay (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampy izay hoy izahay
Ny kabary, resaka matavy
Tsy hihinanam-bary e.
Ny maika izao no hatao. Ka lazao,
Izay handresena ity fahantrana
Manamaimbo ny tanàna.

Tsy mila intsony izahay
Aleo hidaboka hatreo
Ny lonilony sy izay
adilahy pôlitikanareo
Izay tena resaka avoaka
Sasa-miandry ny vahoaka

Leo izahay tsy mahatoky
afatsy ny hitanay maso
Raha théorie mameno boky
Na koa ny andraso andraso
Fikasana iray sarety
Fampiharana no tsy mety
Ieee,

Lasa izao hoy ianao
Izay indray izao no filamatra vaovao
Midaboka eo, mankaleo
Ka hikoa izay najoro
Lany andro efa kadraoka izao
ilay tolom-bahoaka

Lamaody indray izany izao
Samy mandeha samy mitady
Samia manavotra ny ainy
Na mpanana na mafy ady
Hifanota fady tena
amin'ny fitadiavan-karena aa

Dia nanontany tena aho
Tamin'ny foko manontolo
Dia ho ora very amina'pà ve
ny tamin'ny roa amby fitopolo
Isika angaha amboa
no hiverina amin'ny efa naloa
Ieeeeh

Lasa izao
HOy aho hoe Lasa izao
Izay hiaraka aminay

Lasa izao
Hoy aho hoe Lasa izao
Izay hiaraka aminay e

Lasa izao
Lasa izao


Miova izao ny eran-tany
Manavao any rehetra any
Samy mankany mankany
Lasa izao, izao dia izao
Aiza ianao
Le moramora sy ampitso lava
Raveo samy mirava

Dia vitandry zalahy ve
Dia tsy ho vitantsika
Efa ianao tsy hanao mihitsy izay
Matoa hoe tsisy fika
Mbola eto izahay havanao
Ka dieny izao lasa izao.

Lasa izao aiza ianao
Raha hiaraka aminay e
Ampy izay hoy izahay
Raha hiaraka aminay e
Lasa izao aiza ianao
Raha hiaraka aminay e
Ampy izay hoy izahay
Raha hiaraka aminay e
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rossy
Hits : 362
Likes : 0 Like
Created by : hery
Date : 25/07/2025 20:55
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0166