MAHAVARIANA (ROLF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba mahavariana loatra ilay fihetsika indraindray
Tia mafy diso tafahoatra nefa mody fanina indray
Te-hiteny mafy hoe « avia aty fa misy revy milay be ho an-dry »
Nefa tafalaza tsotra hoe « te ho namanao aho »

Kely dia efa voatefy tsy hilaza izay voarara
Ny ao an-tratra nefa tsy ho voafefy, hokobonina mankarary
Te-hiteny mafy hoe « avelao aho hameno oroka ny vatanao »
Nefa tafalaza tsotra hoe « tena namanao aho »


Nahoana iky no moana ity foko ity
Tsy afa milaza izay tsapany tokoa
Lasa miakatra ao an-doha


Mpinamana akaiky, nifankahalala hatrizay
Mety hisy ny tsy hanaiky ngo dia mamoa fady indray
Te hibitsika mafy hoe « andao anie isika sy ianao handeha lavitra be »
Nefa tafalaza tsotra hoe « tena namanao aho »


Nahoana iky no moana ity foko ity
Tsy afa milaza izay tsapany tokoa
Lasa miakatra ao an-doha


Mba mahavariana loatra ity fitiavana ao am-po
Mangotraka mandraotra, mankarary an-doha
Te hivoady mafy hoe « tsy ho azo intsony ity foko tsy mba nohainoina »
Nefa tonga saina ho azy hoe « tena tia an’azy aho… »
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ROLF
Vangy : 3735
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rac
Daty : 01/11/2005 20:45
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0392