Ho avy tsy ampoizina Ny Tompo (Riampeon' Ny Maritiora)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho avy tsy ampoizina ny Tompo hitsara anaoEfa niomana handray Azy ve ianao?
Vitanao ve ny asa nanirahany anao?
fa handray izay nankato Azy ny Tomponao
Ho avy tsy ampoizina ny Tompo hitsara anao
Efa niomana handray Azy ve ianao?
Vitanao ve ny asa nanirahany anao?
fa handray izay nankato Azy ny Tomponao
Ô! ry vahoaka manatrika etoana ny fiainantsika anie manadalo fona;
ka mba hevero izay tokony hatao fa tsy manjeny andro lava izao
Ianao milaza mpanompo ny Tompo; kristianina mipopopopo
tsy ny hita maso no hitsarana anao fa izay milotra ao am-ponao ao
Ka izay atao dia ataovy amin’ny fo ho ankasitrahan’ilay Tompo soa
fa Izy mahalala ny ao am-po tsy miloaka dia ny miafina ao tsy mivoaka
Ianao nomeny andraikitra io; izao no tsarovy ary koa tadidio
ho avy ny Tompo hitsara anao; hitsara ny andraikitra nomeny anao
Ka izay napetraka anjaranao ataovy tontosa ary koa tanteraho
fa aza manao kilalao lava izao; fa ho avy tsy ampoizina ny Tomponao
Ho avy tsy ampoizina ny Tompo hitsara anao
Efa niomana handray Azy ve ianao?
Vitanao ve ny asa nanirahany anao?
fa handray izay nankato Azy ny Tomponao
Ianao ry namana tian’i Tompo mba hanolo-tena ho tena mpanompo
ka aza mijanona ho masirasira mpivavaka tsotra dia mihirahira
Matoa ianao mbola velona izao; dia ny fahasoavany no nahatoy izao;
ka ny antsika fitia mifamaly izay no filamatra tsy mampijaly
Raha mba maniry ny zava-panahy; dia ny hampandroso ny fiangonana;
zay no hilofosy sy katsaho indrindra dia ho itanao ny fiaina-mirindra
Mba hahatanteraka izany ary dia tapaho ny hevitrao izao dia izao;
midira amin’ny sampana mety aminao fa ao no afahana manao izao
Dia ny hampandroso ny fiangonanao mandray ny andraikitra tandrify
anao ka aleo miroso mahavita ny anjara fa ho avy tsy ampoizina ny
Tompo hitsara
Ho avy tsy ampoizina ny Tompo hitsara anao
Efa niomana handray Azy ve ianao?
Vitanao ve ny asa nanirahany anao?
fa handray izay nankato Azy ny Tomponao
Ianao mihemotra noho ny hafa banjino Jesoa ilay topon’ny asa
fa ny hafa ve no manao ny ataony dia ny asan’ny Tompo no atao
ankalaony raha mbola ny asan’ny Tompo no atao dia tsarovy tsara izao
teny izao hanjehina noho ny Aminy ianao; esoina; hankalaina izay
ataonao Ianao tsy hahavita ny andraikitrao izay no katsain’ireo
fahavalonao; ka reseo ny ratsy rohay ny devoly miverena ianao ka aza
resiny intsony Tanjona iray no ataovy ao an-doha na inon-kidona na
inon-kanjo; tsy maintsy ataoko ny asan’ny Tompo mba mpanompo tsara
aho eken’Tompo Vonona aho roso ny dia tsy hihemotra intsony aho
handeha ankery handova ilay fiainana mandrakizay na ho avy tsy
ampoizina aza ilay Ray
Ny manam-panahy no ampitaina ny hafatra mba tsy hisy ny ho raraka
Ahitsio ny dianao raha mivilana sao dia ho tratry ny nenina
Ny manam-panahy no ampitaina ny hafatra mba tsy hisy ny ho raraka
Ahitsio ny dianao raha mivilana sao dia ho tratry ny nenina
Ho avy tsy ampoizina ny Tompo hitsara anao
Efa niomana handray Azy ve ianao?
Vitanao ve ny asa nanirahany anao?
fa handray izay nankato Azy ny Tomponao
fa handray izay nankato Azy ny Tomponao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Riampeon' Ny MaritioraVangy : 98
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Raiki-pitia
Daty : 01/10/2024 10:57