Anao aho (Reko - Fy & His Band)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ouh, ouh, ouh, ouh,…
Fahendrenao dia ny vanim-potoana ah
Voasanao tsara de arosonao ho aniko
Misy tsakotsakon’ny fanahiko noana ah
Ahitako loko hafa mbola tsy hitan’ny masoko

‘Zay ilay miaraka aminao ‘zahay
Tsy lanilany foana ny fotoana
F’izaho androany tsara nohon’ny omaly…
………………………
Anao aho, Ianao ahy…
Tsy afaka ho tsara koakoa noho izao,
Ianao no randrana manendrika ahy,
Raha manao ny ataony ny fankam-panahy,
Ka mitady andeha jonjona fotsiny aho,
Ianao no heritreritra ah, manenjika ahy…

Feno hatsarana sy zava-poana ah,
Izaho fiainana mandalo izao,
Mitehy tany tsara fa tsy misavoana ah,
Satria ny tondra-varatro dia iana…
‘Zay ilay miaraka aminao ‘zahay
Tsy lanilany foana ny fotoana
F’izaho androany tsara nohon’ny omaly…
………………………
Euh ! Anao aho, Ianao ahy…
Tsy afaka ho tsara koakoa noho izao,
Ianao no randrana manendrika ahy,
Raha manao ny ataony ny fankam-panahy,
Ka mitady andeha jonjona fotsiny aho,
Ianao no heritreritra ah, manenjika ahy…

Ny lalana diavintsika mbola ho lavitra
F’isika aharitra na sarotra aza…
Natongotra hitsipaka na tanan’andrangotra ah
Tsy ho mora safotra f’ho mafy tsara…
Tsenaintsika hirahira ny andro maloka ah
Hasava izay matroka ah, Salanitra ah
Ny ety an-tany toy ny any an-danitra ah,
Asaramanitra ah, tsy ho tapitra ah…

Euh ! euh !euh !
Anao aho, Ianao ahy…
Tsy afaka ho tsara koakoa noho izao,
Ianao no randrana manendrika ahy,
Raha manao ny ataony ny fankam-panahy,
Ka mitady andeha jonjona fotsiny aho,
Ianao no heritreritra ah, manenjika ahy…
Ouh, ouh, ouh, ouh,…
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Reko - Fy & His Band
Vangy : 21
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : deborah.razafindimby17
Daty : 24/01/2026 15:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.075