Ianao ahy (Reko - Fy & His Band)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ouh, ouh, ouh, ouh,…
Fahendrenao mitety ny vanim-potoana ah
Voasanao tsara de arosonao hohaniko
Misy tsakotsakoan’ny fanahiko noana ah
Ahitako loko hafa mbola tsy hitan’ny masoko

‘Zay ilay miaraka aminao ‘zay
Tsy lanilany foana ny fotoana
F’izao androany tsara noho ny omaly
………………………
Anao aho, Ianao ahy…
Tsy afaka ho tsara kokoa noho izao,
Ianao no randrana manendrika ahy,
Raha manao ny ataony ny fankam-panahy,
Ka mitady handeha jonjona fotsiny aho,
Ianao no heritreritra manenjika ahy…

Feno hatsarana sy zava-poana ah,
Izao fiainana mandalo izao,
Miteha-tany tsara fa tsy misavoana ah,
Satria ny tondro avaratro dia ianao

‘Zay ilay miaraka aminao ‘zay
Tsy lanilany foana ny fotoana
F’izao androany tsara noho ny omaly…
………………………
Euh ! Anao aho, Ianao ahy…
Tsy afaka ho tsara kokoa noho izao,
Ianao no randrana manendrika ahy,
Raha manao ny ataony ny fankam-panahy,
Ka mitady handeha jonjona fotsiny aho,
Ianao no heritreritra manenjika ahy…

Ny lalana ho diavintsika mbola lavitra
F'isika haharitra na sarotra aza
Na tongotra hitsipaka na tanana handrangotra
Tsy mora safotra fa ho mafy tsara
Tsenaintsika hirahira ny andro maloka
Hazava izay maloka salanitra
Ny ety an-tany ho toy ny an-danitra
Asaramanitra tsy ho tapitra

Euh ! euh !euh !
Anao aho, Ianao ahy…
Tsy afaka ho tsara kokoa noho izao,
Ianao no randrana manendrika ahy,
Raha manao ny ataony ny fankam-panahy,
Ka mitady handeha jonjona fotsiny aho,
Ianao no heritreritra manenjika ahy…
Ouh, ouh, ouh, ouh,…
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Reko - Fy & His Band
Hits : 1393
Likes : 1 Like
Created by : deborah.razafindimby17
Date : 24/01/2026 15:27
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0439