Zone Franche (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Any amin'ny Zone Franche a
Kely dia kely ny chance a
Gidrangilo, enjana be ny cadence a
Lay zavatra tsy mi-balance a
Mampiantso an'ilay Andriamanitra a a

Fa tapa-bolana d'efa tonga ny olana
Trosa mitangorona, raima dia borona
Mampibontsin'orona a a
Manomboka ny tolona

Tsy hoe fanaratsiana fa resaka vakiana
Toa mandavan-taona, maheno izany foana
Iza no mihanahana?
Tsy mampisy fiovàna aaa ?

Vola no mampangidihidy
Vola ka mangidy
Oh oh oh ooooh
Vola no mikaravasy
Lasa ianao malaky
Aza mihambahamba
Efa io lay kandra
Io tsy maintsy manja
Raha ny miankin-doha
Tsy mba mahasoa
Firy no efa voa a!?

"Eh, aza dia tia tena ry reto a! Tanora jerena fa reny no mba ho avin'ny firenena e! Huuumm!"

Ny andro fety mametak'etikety
Tsy vita vetivety, zany ve dia mety?
Sa ahoana letsy i i i ?
Misy fanamparam-pahefana
Ka raha tsy mailo tsara ny sipa tsaratsara
Sodoka dia mizara a a
Mizara fitiavana

Miasa mandra-maraina
Manaraka ny aina
Savaina be vao mody
Mbô tsy mataho-tody
Rahoviana hono ka rahoviana?
No ho metimety izay iriana a a a

Fa

Vola no mampangidihidy
Vola ka mangidy
Marina zany e e e!
Vola no mikaravasy
Lasa ianao malaky
Aza mihambahamba
Efa io ilay kandra
Io tsy maintsy manja
Fa raha hilaiso indray
Antanimora izay
Tery fa mandray iiii !?

Vola no mampangidihidy
Vola ka mangidy
Marina zany e e e!
Vola no mikaravasy
Lasa ianao malaky
Aza mihambahamba
Efa io ilay kandra
Io tsy maintsy manja
Fa raha hilaiso indray
Antanimora izay
Tery fa mandray iiii !?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 147
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Niconiks2212
Daty : 16/11/2025 06:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0811