Tonga ny hafatra (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonga ny hafatrao milaza fa salama tsara,
tsy marofy
Ny resaka nolazainao tsy tamin’ny teny gasy fa vahiny,
milaza nofinofy
Mitanisa ireo natao fahizay,
Ireo hadalana mihoa-pefy indraindray
Nibedesana ahy.

Tato ho ato anefa toa niova indry
Angamba hoy aho hoe vaky fitia fa dia niantsampitsampy
Izaho koa moa nentim-pahatsorana
Tsy nihevitra hoe nisy olana fa avy dia nananty
Fangalam-piery sy fanenjika taloha
Tianao ho avadika ho lalaon’olon-droa,
Maninona moa !

Saingy ilay zokinao toa miadaladala
Maniry ny hiantso ahy hoe « malala »
Fa tiany hono aho
.
Teo aho dia sahiran-tsaina, miasa loha sy niferin’aina
fa tsisy ohatr’ity
Nareo roa samy efa tonga taona, ny teniny, ny fihetsikao mbola eo foana
mifidy ny ho aty
Ilay zokinao bikana vaventy,
Saingy ianao indray raha endrika,
Mety vaky loha aho

Saingy ilay zokinao toa miadaladala
Maniry ny hiantso ahy hoe « malala »
Fa tiany hono aho.

Aleo izaho mihitsy no hanavato fo,
Tsy vitako ny hanenjika bitro roa
Sahirana eo aho
Aleo izaho mihitsy no hanavato fo,
Voatery hiala maina
Sady ho votso-droa
Horaisina eo aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 5304
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 08/02/2017 14:07
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2852