Tokantrano (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay rehetra tianao atao
sy izay sitrakao
tsy mihazona aho, tsy mamefy
Mandehana aloha, raha toa tsy afa-po
'Zay fantatrao fa mety
Ataovy avokoa raha mahasoa.

Raha olona efa tsy tamana
Izaho tsy afaka hitana
Marina fa mavesatra izao
Akory atao fa efa ao
Sanatria tsy hitomany aho
Tsy ilay Tsitoha anie ianao.

Tokantrano fanambadiana
Tsy hilaozany, fifamaliana
Izany indrindra hoy ianao
No nahatonga hifindra toy izao
Avelao aloha handao fa efa lao
Ny marina tsy azo ialana
Tsy tantinao ny fahantrana
Ka nohararaotinao ny toe-javatra toy izao

Hevitra efa voaomana fa mody
No sarotsaronana
Hoe ny tsy fitovian-kevitra
Dia lasa ianao, indro fa tezitra
Nefa ny tsy fisiana
No nahatonga anao handao ny dina

Ary aza mihevitra toy izao foana
Fa mbola hoavy ilay fotoana
Dia ilay masoandro be lohataona
Andrasako, Andrasako
Hamirampiratra vao maraina
ahazoako tena miaina

Tokantrano fanambadiana
tsy hilaozany, fifamaliana
Izany indrindra hoy anao
No nahatonga hifindra toy izao
Avelao aloha handao fa efa lao
Ny marina tsy azo ialana
tsy tantinao ny fahantrana
ka satrinao nisy adiady nanapahan-tady
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 713
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tynede
Daty : 18/06/2021 14:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0764