Olana (hatry ny alina) (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Hatry ny alina no efa sorena kirikiriana
Anarany fotsiny no mba teo am-pandriana
Mitangorona avokoa, rehefa adin-tsaina
Nifanao fotoana ry zareo andrerak'aina

Ngiahy be masoandro, iry mandodona
Famataranandro, toa tsy azo ivalozana
Ingahy Tale moa any am-piasana
Tsy mandefitra mihitsy amin'ny fahatarana

Ref : Nefa ny olana mbola misy ato an-trano tsy maintsy ho vahana
Ny adidy amin'ny fianakaviana koa moa tsy azo ialana
Ora valo, no alaina, izay vao mba mody an-tanàna

Ao anatin'izany ny karazam-pahotana
Indraindray fandikan-dalàna
Miezaka ihany ny anisy fanovàna
Mbola mafy ny ady fa manjaka satana

2. Fa mandroso ny taona, teo koa ny faniriana
Ny ho avy mikitrona mamboly hakiviana
Karazana aretina maro  tsy maintsy iadiana
izay fanafody mba misy tsy laitra vidiana

Rafahanterana indro manangasanga
Ny hoavin-taranaka anefa toa mbola banga
Ny andro iainana toa lanin'ny sakafo
Raha te ho velona mividy lafo

Ref : Nefa ny olana mbola misy ato an-trano tsy maintsy ho vahana
Ny adidy amin'ny fianakaviana koa moa tsy azo ialana
Ora valo, no alaina, izay vao mahita an'i madama

Ao anatin'izany ny karazam-pahotana
Indraindray fandikan-dalàna
Miezaka ihany ny hanisy fanovàna
Mbola mafy ny ady fa manjaka satana

Ao anatin'izany ny karazam-pahotana
Indraindray fandikan-dalàna
Miezaka ihany ny hanisy fanovàna
Mbola mafy ny ady fa manjaka satana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 757
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : slavandria
Daty : 10/04/2024 16:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0788