Mirotsaka (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I. Tena mba mahavariana sy mahavaka
Ireto fombafomba mahazo làka
Zao indray ny zipo lava lasa salaka eh
Sady efa diso didy no misy daka

Ekena fa ny fandrosoana no tena tsara
Ka manao tsy omby aloha hahavita afara
K'ilay vaky tampona sy tanavoho ôh
Lasa coco razé sy coupe garçon

Bridge 1. Misy ny Ray sy Reny sahiran-dava
Dia lasa manao fiainana lavalava
Ny lahy toa fetsifetsy, ny vavy miseho vedety
Dia izy mianakavy tsy lahy tsy vavy

Ref. Dia mirotsaka eh, dia mangotraka
Zary efa mankadilo sy drindrangilo
Miara mirona de lasa mikàta foana
Manao farara vava mipôzy lava

Dia mirotsaka eh, dia mangotraka !
Dia mirotsaka eh, dia mangotraka !

II. Fa tsara sy tena ilaina ny fandrosoana
No sady jerena tsara izay ijoroana
Tsy ny hita rehetra dia mahataitra eh
Ka ny vokany aveo ndray no tsy laitra

Dia indro ny bandikely fa sahisahy
(Dia indro ny bandikely fa sahisahy)
Dia lasa mirediredy fa toa tsy nahy
(Dia lasa mirediredy fa toa tsy nahy)
Handeha hianatra izy no mba hialana ah
Dia lasa mirevirevy amin'ny adalana

Bridge 2. Mitondra mankaiza loatra ny fandrosoana ?
Tsy vitsy no mimenomenona amin'izao fotoana
Aiza no misy sôsy, aiza no misy môsy
Aiza ny tena izy vonjeo rankizy

Dia mirotsaka eh ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 192
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Avotra23
Daty : 05/12/2023 07:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0759