Dia ahoana? (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Firy taona izay no efa niarahana
Hatram'isika tany am-pianarana
Indrisy anefa hatram'izao
Mbola tsisy ny azo atao
Ny lehibe no tsy azo hanoharana fa,
Ny anay tsy azo hifanarahana
Niady mafy aho nefa dia voabahana
Fitaizan'ny teo aloha
Isika no nijaly am-po
Raha mikiry hony aho dia roahaina.

Ny antsika anefa voa maika matsiro
(Dia ahoana e! e! eee!!!)
Ny vavan'ny olona efa mankadilo
(Dia ahoana e! e! eee!!!)
Androso ity ho very fianakaviana
(Dia ahoana e! e! eee!!!)
Hihemotra indray ho very anao olon-tiana
(Dia ahoana e! e! eee!!!)

Dia ahoana e!
Aleo ve handeha?
Izay tohiny
Hodiana tsy re
Dia ahoana e!
Sa ve hifandao
Dia ataoko ahoana no hafohy anao (X2)
....
Resam-pirazanana dia olana
Nefa isan'alahady any am-piangonana
Angaha tsy Tompo iray ihany
No iraisana eto an-tany
Sa ny an-dry 'zareo hafa karazana fa,
Ho anao indray izao no ataovy an-doha
Tsy mba vahaolana ny hamohifoy
Raha soa sy hahatsara
Tsy voasakana ny anjara
Fo no ataovy toby famaharana.

Dia ahoana e!(x2), dia atao ahoana re e!
Dia ahoana e!, dia ahoana a!! (X3)

Ny antsika anefa voa maika matsiro
(Dia ahoana e! e! eee!!!)
Ny vavan'ny olona efa mankadilo
(Dia ahoana e! e! eee!!!)
Androso ity ho very fianakaviana
(Dia ahoana e! e! eee!!!)
Hihemotra indray ho very anao olon-tiana
(Dia ahoana e! e! eee!!!)

Dia ahoana e!
Aleo ve handeha?
Izay tohiny
Hodiana tsy re
Dia ahoana e!
Sa ve hifandao
Dia ataoko ahoana no hafohy anao (X4)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 872
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 01/09/2022 05:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729