Adim-panahy (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa ho iray volana izao no nandehanan'dry
Fakan-drivotra no nialanao taty
Nefa hatramin'izao tsisy mba taratasy
Ooay! Nefa i fakitera nafarako mafy

Ninia aho mba tsy hierireritra zavatra ratsy
Raha izay nifandaozana izay ranomaso nifafy
Tsy mino aho hoe ho vitan'dry ilay tsy tiako ho sainina aky

Raha indry! raha indry, no tsy ho tia! (x2)

Tena natsiro ireo niarahana
Asa ianao raha nahatsiahy
Nadiditra aho eny tsy lavina
Tatoato aho vao mba fay

Fa rehefa hariva mena vodi-lanitra iny
Dia efa malahelo any aho izay
Indrindra ny alina hamonjy ny fandrina
Mety efa itomany any aho izay
Miatomboka indray ny adim-panahy

.................

Fa.... Ny lozan'ilay adiresy taty koa dia very
Vaokorontako ny eran'ny trano tsisy tsy voajery
Angamba toy izany no nahazo anao tany
Enga anie! fa raha zavatra hafa dia very aho izany

Izahay sy ilay very laona no kapoka iray
Aaaaaa, Ny azy aza mbola antenainy igadona indray
Raha sanatria ka vitan'dry
Ilay tsy tiako ho sainina aky

Raha oo! raha oo, dia oo (x2)

Tena natsiro ireo niarahana
Asa ianao raha nahatsiahy
Nadiditra aho eny tsy lavina
Tatoato aho vao mba fay

Fa rehefa hariva mena vodi-lanitra iny
Dia efa malahelo any aho izay
Indrindra ny alina hamonjy ny fandrina
Mety efa itomany any aho izay

Miatomboka indray ny adim-panahy (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 3577
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 20/03/2018 20:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717