You are here: home > Tononkira > RAMORA FAVORI

Mpihatsaravelatsihy (RAMORA FAVORI)

niditra hopitaly izy,tsy nojerena
efa maty,vao hitondrana lambamena
aiza indray ry mpihatsaravelantsihy ôô

niditra hopitaly izy,tsisy iray nakany
efa maty vao,mody mitomany
aiza indray ry mpihatsaravelantsihy ôô

velona izy ,tsy notolotolorana
efa maty vao, mody torona
aiza indray ry mpihatsaravelantsihy ôô

nôna izy, tsy nomena ranovola
efa maty vao, arahana vola
inona intsony no hovidiny tononkira.serasera.orgaminin'iny ôô

narary izy,tsy norarahina
efa maty vao,hitondrana famangina
aiza indray ry mpihatsaravelantsihy ôô

nangataka izy, mo mba nahazo
efa maty vao hitondrana vonikazo
zany ve ? tsy efa fandatsana ôô

narary izy,tsy nivakina loha
efa maty vao, mody manamanjo
aiza indray ry mpihatsaravelantsihy ôô

nividy fanafody izy,tsy nanao plusy
rehefa handevina,mahita fréanbusy
aiza indray ry mpihatsaravelantsihy ôô

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : RAMORA FAVORI
Mpamaky : 2241
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Shcwarzeneric
Tamin'ny : 19/04/2016 22:53:55
ID : 8456

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo