Dify (Rafitra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Torovana tokoa, tsy naharenesam-peo
Nanondrika ny loha, nilaza faharesena
Fa lasa nankaiza no tsy hita intsony
Fa handeha ho aiza ity fony lonilony
Tsy hay izay faniriany sy izay tiany hatao
Na ny ao an-tsainy aza tsy mbola ho fantatrao

Dify lasana any, tsy hiverina intsony
Dify lasana any, ny fony notorony
Lasany avokoa ny tomany sy ny alahelony
Vimbininy ihany koa ilay ratram-po natolony ho anao
Dify lasana any, tsy hiverina intsony
Dify lasana any, tena handao anao

Taratasy iray taty aoriana
No nanambara fa tsy any intsony izy
Manjavona hatrany izany faniriany
Ny manodidina aza tsy mahalala izay nalehany
Tsy hay izay faniriany sy izay tiany hatao
Na ny ao an-tsainy aza tsy mbola ho fantatrao

Dify lasana any, tsy hiverina intsony
Dify lasana any, ny fony notorony
Lasany avokoa ny tomany sy ny alahelony
Vimbininy ihany koa ilay ratram-po natolony ho anao
Dify lasana any, tsy hiverina intsony
Dify lasana any, tena handao anao

Fa dify lasana any, tsy hiverina intsony
Dify lasana any, tena handao anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rafitra
Vangy : 1292
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : lugioanderson
Daty : 07/08/2019 09:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721