Tany tsy hita maso (PRINCIO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TANY TSY HITA MASO (Princio)
Tena mila ho lasa adala aho e!
Fa tena malaelo anao
Toa lasa saina mitogaigy e!
Toa varimbariana lasa amborona e!
Fa toa matsiarotsiaro anao foana
Manembonembona anao
Lasa nanidina any lavitra any e!
Any @ tany tsy hita maso any e!
Toa mikorotana ny saina
Mieritreritra anao
Fa tena savla be savolaina (hmmm)
Tavela irery nilaozanao
Nandeha nanidina any @ sisiny any e!
Any @ tany tsy hita maso any e! (x2)
Refrain:
Satria ianao dia lasa mipitsika andeha hipetraka any @ dezaka be any e! (any @ tany tsy hita maso any e!)
Satria ianao dia lasa nietsika andeha hisitaka any lavitra be any e! (any @ tany tsy hita maso any e!)
Fa na dia sarotra sy enjana nefa ny lalana makany e!
Mbola oavy aho fa andraso any e!
Tsy maintsy ho tonga itsidika anao, anenjika anao aho sady anafika anao any e!
Mbola ho avy aho fa andraso any e!

Mandrevirevy anao foana aho (ndriiii)
Mitady anao ty vatako
Toa malaelo toa misaona
Maniry anao mba ho eo an-tratrako
Toa mila ipoaka ny ati-dohako
Tavela irery nilaozanao
Lasa nanidina any lavitra any e!
Any @ tany tsy hita maso any e!
Toa miparitaka ny ao an-tsaiko
Misavoritaka ny ao am-poko
Misambadidaka ny fanahiko
Tavela irery nilaozanao
Nande nanidina any @ sisiny any e!
Any @ tany tsy hita maso any e!(x2)
Refrain:
Satria ianao dia lasa mipitsika andeha hipetraka any @ dezaka be any e! (any @ tany tsy hita maso any e!)
Satria ianao dia lasa nietsika ande isitaka any lavitra be any e! (any @ tany tsy hita maso any e!)
Fa na dia sarotra sy enjana nefa ny lalana makany e!
Mbola oavy aho fa andraso any e!
Tsy maintsy ho tonga itsidika anao, anenjika anao sady anafika anao any e!
Mbola ho avy aho fa andraso any e!
Satria ianao dia lasa mipitsika andeha hipetraka any @ dezaka be any e! (any @ tany tsy hita maso any e!)
Satria ianao tsy maintsy mietsika mandeha mianatra any lavitra be any e! (any @ tany tsy hita maso any e!)
Fa na dia sarotra sy enjana nefa ny lalana makany e!
Mbola oavy aho fa andraso any e!
Tsy maintsy ho tonga itsidika anao, anenjika anao aho sady anafika anao any e!
Mbola ho avy aho fa andraso any e!
Eh! Mbola ho avy aho fa andraso any e!
Eh! Any @ tany tsy hita maso any e!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : PRINCIO
Visites : 3338
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : heriarisoa
Date : 24/10/2012 17:42
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732