Artista (PRINCIO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa ito aho ry dada sy neny fa tonga hiverina ato an-trano indray
Fa nitsoaka tary amin'ilay kalakely fa nampijaliany nataony mahamay
Toa tsy ho raikitra indray ho'aho ilay fanambadiana nomankomanina hatramin'izay
Fa ny toe-tsain'ilay fianakaviana tena mahasosotra be tsy milay

Fa ilay bofin-drasipa
ohatry ny efa mivika
tena be kritika
sady toa manalika

Fa dia hoe tsisy fika
raha vadina mpanao mozika
Fa ny aty amintsika
Izay mianatra be no tafita

Toa tsy fantany fa ny tantsaha, toa tsy kobony fa ny DJ
Mety ho lasa prezidà tafiakatra toerana henjana be

Ary dia tsy hay e, izay mety hiseho eo maraina (fa ny bofin'ity sipa ity ohatry ny efa mivika)
Ary dia tsy hay e, izay mety hiseho eo maraina (sady toa be kritika no toa manalika)
Ary dia tsy hay e, izay mety hiseho eo maraina (sady mi-sous-estime mpanao mozika)
Ary dia tsy hay e, izay mety hiseho eo maraina (tena madama mivika no sady masiaka)

Efa ito aho ry dada sy neny fa tonga hiverina ato an-trano indray
Fa nitsoaka tary amin'ilay kalakely fa nampijaliany nataony mahamay
Toa tsy ho raikitra indray ho'aho ilay fanambadiana nomankomanina hatramin'izay
Fa ny toe-tsain'ilay fianakaviana tena mahasosotra be tsy milay

Fa ny dadan'ikala
Ohatry ny olona adala
Toa tsy misalasala
Avy dia mankahala

Fa hoe tsy mahavelona tsara
Ny mitendry gitara
Ka tsy poinsa raha musicien
No hanambady an'ts

Tsy aleo manambady magistrat na ohatra hoe avocat
Na manam-pahaizana tena crack na cadre be amin'ny banky
Fa hoe dokotera na dentiste fa tsy hoe manambady artista

Tsy fantany fa ny tantsaha, Tsy kobony fa ny DJ
Mety ho lasa prezidà tafakatra toerana henjana be

Fa dia tsy hay e, izay mety hiseho eo maraina
Fa dia tsy hay e, izay mety hiseho eo maraina
Fa dia tsy hay e, izay mety hiseho eo maraina
Fa dia tsy hay e, izay mety hiseho eo maraina

Toa tsy fantany fa ny tantsaha possible ho miliaridera ho'aho (Fa dia tsy hay e, izay mety hiseho eo maraina)
Toa tsy kobony fa ny DJ mety efa ho tafiakatra lavitra be (Fa dia tsy hay e, izay mety hiseho eo maraina)
Izay miketrika sady mahasahy possible ho lebany be ry zalahy (Fa dia tsy hay e, izay mety hiseho eo maraina)
Fa nahoana ny bandy artiste no eritreretinareo fa dia gisitra e (Fa dia tsy hay e, izay mety hiseho eo maraina)

Fa dia tsy hay e, izay mety hiseho eo maraina
Fa dia tsy hay e, izay mety hiseho eo maraina
Fa dia tsy hay e, izay mety hiseho eo maraina
Fa dia tsy hay e, izay mety hiseho eo maraina

Toa tsy fantany fa ny tantsaha possible ho miliardera ho'aho
Toa tsy kobony fa ny DJ dia mety ho tafiakatra lavitra be
Izay miketrika sady mahasahy possible ho lebany be ry zalahy
Fa nahoana ny bandy artiste no eritreretinareo fa dia gisitra e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PRINCIO
Vangy : 6702
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : DotMG
Daty : 25/03/2010 12:18
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3588