Ndao hirevy (feat Njara Marcel, Jacquis Randria) (PRINCIO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa ela nijaly, efa ela narary, ndao hirevy amin’izay
Efa ela no nihafy, efa niaritra ny mafy, ndao hirevy kely indray
Falifaly ny saina satria velon’aina ka tena milay
Fa satria mbola velona, tsy nahazo appel avy any amin’ny Ray
Mbola velona hatrany fa tsy lasa nankany amin’ny mandrakizay
Ndao asiana mozika handihizan’ny sipa sy ny kofboay
Dia tandremo ny ankizy fa vao mihodina eo izy dia lanin’ny voay
‘Zay mandeha tsy maninona, rehefa anaty feeling dia ohatrohatr’izay

Tsy sanatria aho hoe miseho ho modely fa aleo aloha asiana vavaka kely
Aza matahotra ry madimozely fa tsy asiantsika feon’anjely
Fomba gasy izay tsy hita ‘zay maharatsy azy ny mivavaka alohan’ny hanala azy
Ray o, misaotra Bainina, tahio ilay revinay. Amenaa !
Fa Ianao ilay Ray mihaino vavaka, tsy mifidy ary tsy manavakavaka
Tianao daholo na gasy na vazaha, na ny babasola na rasta

Pastera o, aoka izay fa lava loatra fa i ramatoa efa manoaka
Tendreo ny gitara sy ny mozika milay, aza asiana kafara, andao hirevy amin’izay fa
Inona marary anao ?

Efa ela nijaly, efa ela narary, ndao hirevy amin’izay
Efa ela no nihafy, efa niaritra ny mafy, ndao hirevy kely indray
Falifaly ny saina satria velon’aina ka tena milay
Fa satria mbola velona, tsy nahazo appel avy any amin’ny Ray
Mbola velona hatrany fa tsy lasa nankany amin’ny mandrakizay
Ndao asiana mozika handihizan’ny sipa sy ny kofboay
Dia tandremo ny ankizy fa vao mihodina eo izy dia lanin’ny voay
‘Zay mandeha tsy maninona, rehefa anaty feeling dia ohatrohatr’izay

Aleo mirevy dieny mbola malaina fa rehefa mazoto dia aleo mirevy foana
Izay mora sempotra, ‘zay kely vovok’aina aza mihazakazaka eo sao tsy tratran’ny taona
Aleo mirevy dia mifankatia fa tsy ananam-piry anie ilay fiainana etý
Aza miadiady, aza mora maka lagy, revy ‘lay androany fa tsy fanasana vangy
Asio mozika mahasalama, mozika fanafody dia midanse madama dia ahetseo ilay volo
Tendreo ny gitara sy ny mozika milay, aza asiana kafara, andao hirevy amin’izay fa…

Efa ela nijaly, efa ela narary, ndao hirevy amin’izay
Efa ela no nihafy, efa niaritra ny mafy, ndao hirevy kely indray
Falifaly ny saina satria velon’aina ka tena milay
Fa satria mbola velona, tsy nahazo appel avy any amin’ny Ray
Mbola velona hatrany fa tsy lasa nankany amin’ny mandrakizay
Ndao asiana mozika handihizan’ny sipa sy ny kofboay
Dia tandremo ny ankizy fa vao mihodina eo izy dia lanin’ny voay
‘Zay mandeha tsy maninona, rehefa anaty feeling dia ohatrohatr’izay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PRINCIO
Vangy : 646
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 09/07/2022 14:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724