Maniry anao (PRINCIO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maniry anao

Henoy ry vehivahy eh
Ambarako anao oh !
Izay mba faniriako
Te hahita tory eo ankavianao

Henoy ry lehilahy eh !
Lazaiko aminao oh !
Izay mba fifaliako
Raha mifoha maraina eo ankavananao

Ny ao am-po tia anao zato isan-jato
Ny ao an-doha maniry anao tsy mety mihato
Fa olon-tsotra, fa olon-tsotra sady hendry
Kanefa kosa mba manan’elatra indraindray

Henoy ry vehivahy eh ! (Henoy ry lehilahy eh !) Lazaiko aminao oh ! (Lazaiko aminao oh !)
Izay mba izay mb paradisako
Te ho ravoravo eo antratranao

Ny ao am-po tia anao zato isan-jato
Ny ao an-doha maniry anao tsy mety mihato
Fa olon-tsotra, fa olon-tsotra sady hendry
Kanefa kosa mba manan’elatra indraindray

Ny ao am-po tia anao zato isan-jato
Ny ao an-doha maniry anao tsy mety mihato
Vehivavy tsara, vehivavy tsara sady hendry
Kanefa koa mizara karatra indraindray

Eny, n’aiza n’aiza misy anao
N’inon’inona atao
Dia tsarovy fa izaho,
miparitaka aminao
ripadripaka aminao
Potipotika aminao
Rotidrotika aminao, là là

Te hamihina anao
Hisakambina anao
Te hanafosafo anao
Te hanoroka anao
Te hibanjina anao
Te hitazona anao
Zay le hoe maniry anao io e

Ny ao am-po tia anao zato isan-jato
Ny ao an-doha maniry anao tsy mety mihato
Fa olon-tsotra, fa olon-tsotra sady hendry
Kanefa kosa mba manan’elatra indraindray

Ny ao am-po tia anao zato isan-jato (Ka aza lavinao an-kafa anie)
Ny ao an-doha maniry anao tsy mety mihato
Fa olon-tsotra, fa olon-tsotra sady hendry
Kanefa kosa mba manan’elatra indraindray

Princio (& Lily)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PRINCIO
Vangy : 5620
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Sandamamy
Daty : 19/07/2006 13:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743