Malala (PRINCIO)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza idina intsony , ny varavarakelinao Fa rahalina aho ho avy amin'izay.
Ary hafatory , ireo alika kelinao
sao manaikitra anah eo indray
Ampidino amin'ny tany , 'lay kidoro be anao
Fa manenoneno ilay fandriana
Aza adino hatrany , ny manome an'ny Vadinao
Fanafody fampatoriana
Pre-refrain :
Ndrao taitra tampoka eo izy
Njay ny ahy vao ho loza
F'ho tratrany am-bodiomby aho
Manaonao lalam-poza
Ho tifiriny amin'ny basy eo aho
Ho vonoiny ho vitainy
F'izaho sy ianao 'lay mifanafika foana isan'andro
No tena tsy tantin'ny saina
Ref :
Malala aaah
Ny angala-bady anieh tsy niriako oo ou o oo
Malala aaah
Azafady fa tsy fanahy niniako oo ou o oo
Malala aaah
F'ianao tokoa toa tahaka ny tiako dia tiako
Oo ou o (tiako dia tiako oooo)
Tsy mampite hiala aaah
Fa hiaretako , hiafiko oo ou o oooo
'Lay fiarahatsika , izay somary hafahafa
Ka nanaitra ny rehetra
Satria ianao sipa , efa vadin'olon-kafa
Ka voageja sy voafetra
Pre-refrain :
Nifankatia teny isika roa , saingy norarana
Fa ny antsika toa filàna tsy voatana
Nifosa antsika eny avokoa , ny iray tanàna
Satria ianao efa manam-bady olon-debeh ,
Vita soratra ara-dalana eeeh
Ref
Solo
Pre-refrain :
Nefa na izany aza , miomana foana ianao
Fa ho tohizana ho atao ny kilalao
Manaova foana , akanjo mandry manifinify
Ary aza adino alohan'ny hatongavako ao
Ny misasa tongotra sy ny miborosy nify
Ref
Ref :
Malala aaah
Ny angala-bady anieh tsy niriako oo ou o oo (tahaka ny tiako dia tiako x2)
Malala aaah
Azafady fa tsy fanahy niniako oo ou o oo
(tahaka ny tiako dia tiako x2)
Malala aaah
F'ianao tokoa toa tahaka ny tiako dia tiako
Oo ou o (tahaka tahaka ny tiako×3 ou)
Tsy mampite hiala aaah
Fa hiaretako , hiafiko oo ou o oooo
(tahaka tahaka ny tiako×3 ou)
[ Malala aaah
(tahaka tahaka ny tiako×3 ou) ]x3
--------
Rohy: