Kôfboay ati-doha (PRINCIO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ô ry vahoaka izay manatrika eo
Aoka mihintsy ho fantatrareo, ea ea ie ie a
Fa tena loza ny zava miseho
Tandritandremo ny vadinareo,ea iea ie ie a
Fa misy olona tsy mihafahafa
Mitsiriritra fanan'ny hafa, ea iea ie ie a
Manjary lasa ho fomban'ny bandy
Mitsaintsaingoka mangala-bady, ea iea ie ie a
Eo imason'ialahy eo izy dia tsotra sy tsara fanahy e
Vao mivadika kely ialahy: kôtiny ny vadin'ialahy
izy amin'io mody hendry mody fanina : miala-pas e
Fa kay izy ity dia mikendry hikôty ny vadin'là

Mba mailomailo ho'a ry valy
Misy ratsy saina amin'ny tany
Vadinareo mba handraso e
ataovy folo ho'a ny maso a
Tandritandremo ho'a ry zoky
Aza dia mahatokitoky
Tazotazony ary tazantazano ary tandritandremo fa:

Kôfboay ati-doha , ati-doha io
Kôfboay ati-doha io fa tandremo e a
Kôfboay ati-doha , ati-doha io
Alika masiaka, maditra, mamitra
..... ......
Ô ry vahoaka izay manatrika eo
Tena mba tsara ho fantatrareo, ea ea ie ie a
Fa tena loza ny zava miseho
Tandritandremo ny vadinareo,ea iea ie ie a
Fa misy olona tsy mihafahafa
Mitsiriritra fanan'ny hafa, ea iea ie ie a
Manjary lasa ho fomban'ny bandy
Mitsaintsaingoka mangala-bady, ea iea ie ie a
Eo imason'ialahy eo izy dia tsotra sy tsara fanahy e
Vao mivadika kely ialahy: kôtiny ny ankizin'ialahy
izy amin'io mody hendry mody fanina : miala-pas e
Fa kay izy efa mikendry hikôty ny ankizin'là

Ka mba mailomailo ho'a ry zandry
Misy ratsy saina amin'ny bandy
Vadinareo mba handraso e
ataovy folo ho'a ny maso a
Tandritandremo ho'a ry zama
Jerevo tsara madama
Tazotazony ary tazantazano ary tandritandremo fa:

Kôfboay ati-doha , ati-doha io
Kôfboay ati-doha io fa tandremo e a
Kôfboay ati-doha , ati-doha io
Alika masiaka, maditra, mamitra

Kôfboay ati-doha , ati-doha io
Kôfboay ati-doha io fa tandremo e a
Kôfboay ati-doha , ati-doha io
Alika masiaka, maditra, mamitra

Kôfboay ati-doha , ati-doha io
Kôfboay ati-doha io fa tandremo e a
Kôfboay ati-doha , ati-doha io
Alika masiaka, maditra, mamitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PRINCIO
Vangy : 3201
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : peter
Daty : 22/05/2012 08:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5292