Ho namanao (PRINCIO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy hieritreritra ny hamitaka anao
Tsy hiherikerika amin'izao rehetra izao
Fa manaiky marina ny ho namanao, ho namanao
Ka hahalala onona amin'ny fitiavanao
Satria efa vonona hihafy aminao
Ka manaiky marina ny ho namanao, ho namanao

Ho foana sy hanjavona ny fakampanahy (tan tan ra ra ran tan)
Tsy ho sedra olana fa aza manahy (tan tan ra ra ran tan)
Tady vita fatomaty tsy mba mety mivaha
Tsy ho voahozongozona tsy hirodana intsony
Tsy hikorontandrontana tsy ho be lonilony
Fa ilay fitiavana no asandratra ambony

Tsy ho mora tezitra tsy ho be mokon-doha
Mahay mifandefitra mifankato
Ka ho lafadafatra tokoa isika roa, isika roa
Mahay mifanaraka sy mifankatia
Ilay hoe misaraka ho atao sanatria
Vonona hiaraka aminao ho doria, ho doria.

Ho foana sy hanjavona ny fakampanahy
Tsy hisy atahorana fa aza manahy
Tady vita fatomaty tsy mba mety mivaha
Tsy ho voahozongozona tsy hirodana intsony
Tsy hikorontandrontana tsy ho be lonilony
Fa ilay fitiavana no asandratra ambony
Tsy ho voahozongozona tsy hirodana intsony
Tsy hikorontandrontana tsy ho be lonilony
Fa ilay fitiavana no asandratra ambony
Fa ilay fitiavana no asandratra ambony

Tsy hieritreritra ny hamitaka anao
Tsy hiherikerika amin'izao rehetra izao
Fa manaiky marina ny ho namanao, ho namanao
Ka hahalala onona amin'ny fitiavanao
Satria efa vonona hihafy aminao
Ka manaiky marina ny ho namanao, ho namanao
Ka manaiky marina ny ho namanao (marina izany marina izany)
Ka manaiky marina ny ho namanao
Ka manaiky marina ny ho namanao
Ka manaiky marina ny ho namanao
Ka manaiky marina ny ho namanao

Ho namanao
Ho namanao

(feat. Melky)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PRINCIO
Vangy : 12826
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : DotMG
Daty : 26/03/2010 00:05
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133