Allo papa ! (PRINCIO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zaza sipakelin’i papa
Tsy mahafoy an’i papa
Fa malahelo an’i papa

Papa sipakelin’i zaza
Tsy mahafoy an’i zaza
Fa  malahelo an’i zaza

Allo, ça va ? fa aiza i papa ?
Mbola lasa manao tournées foana angaha ?
Sa ve rehefa miasa dia tsy mahatsiaro anah
Modia amin’izay e, fa malahelo zah

Allo zazà, efa ho avy papa
Fa manao spectacle atý Majunga
Amin’ny alatsinainy d’efa mody any Tanà
Ka raha hendry tsara indry dia itondrako chocolat

Oh la la, chocolat ihany ve ?
Izany kosa ve, papa, tsy mampihomehy ?
Nefa ‘zah anie efa tena hendry be
Mba hafakely ny hoe hividianana poupée

Oui bébé, raha te hahazo poupée
Ilay poupée Barbie tena tsara tarehy
Mila mianatra tsara, mila mahay be
Fa raha tsy izany tsisy zavatra mandeha

Raha te hahazo cadeau, raha te hahazo goûter
Rehefa matory papa dia tsy mitabataba be
Dia rehefa tour-n’i papa ny mba mijery télé
Dia tsy adalaina foana hoe “avadio dessin animé io ho’aho”

Non, non non, non ce n’est pas
Izaho kosa ve papa dia tsy hijery Dora
Fa maninona i papa raha miara-mijery aminah
Amin’izay papa mahay  miteny vazaha

I papa anie atý malahelo be an-dry
Tu me manques aussi,  mon papa chéri
Yeah, … aza elabe fa modia
Dia ataoko bisous rehefa tonga atý

Zaza sipakelin’i papa
Tsy mahafoy an’i papa
Fa malahelo an’i papa

Papa sipakelin’i zaza
Tsy mahafoy an’i zaza
Fa  malahelo an’i zaza

Manomboka androany papa hivavaka amin’i Jesoa
Mba omeny volabe hanamboarana tamboho
Dia hividy berger allemand anankiroa
Izay mijerijery an-dry eo d’efa … ouaff ouaff

Dia hanao kung fu, dia hanao karaté
‘Zay bandikely tonga eo dia mahazo daka be
Dia... pan !.. voatifitra amin’ny pistolet
Dia… an an an aoka izay, fa papa koa mampihomehy

Tena adaladala mihitsy ity papa ity
Izany ve no hivavahana amin’i Kristy
Fa raha hoe mahazo volabe papa chéri
Tanteraho aloha ny nofinofiko ity

Fa ohatran’ny inona akia izany nofinofindry
Andao ampiana ny mahantra sy  ny quatr’mi
Ny ankizikely omena bonbons sy biscuits
Amin’izay zareo falifaly erý

Ndriii, ntonalé chérie zany nofinofin-dry
Angataho amin’ilay zanak’i Zozefa sy Maria
Hoe mba omena sôsy kely aloha ny dadan-dry
Hanampiana an’ireo enjehan’i Ramaria

Fa ‘zay revin-dry rehetra dia ho ataon’i papa
Izay an, okay okay, yesss, ça va !
Rehefa misy an-dry dia falifaly foana ho’aho
Rehefa eo papa dia falifaly foana ‘zah

I papa ange akia tena tia be an-dry
Je t’aime  aussi, mon papa chéri
Aza elabe ho’aho fa modia ann
Dia ataoko bisous be rehefa tonga atý

Zaza sipakelin’i papa
Tsy mahafoy an’i papa
Fa malahelo an’i papa

Papa sipakelin’i zaza
Tsy mahafoy an’i zaza
Fa  malahelo an’i zaza
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PRINCIO
Vangy : 3940
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 13/11/2020 15:44
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128