Fandresena (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lasa gbmfxkt nidify teo ny lasa
Fa nisy kosa ihany soa napetrany
Lefy ny fiainana tsy tana
Ny holatry ny lasa
Mbola navelany
Fa ireo tsikin’ny omaly
Mbola namely tsiahy fahatsiarovana
Ireo holatry ny omaly
Efa nampianatra ahy izay ho lalana indray

Fa tsy misy ho afa-maina
Tsy maintsy mitaraina
Amin’ny fiainana
Fa ireo miloitra ihany
Mandresy ny tomany
No tafatsangana

Ny lasa tsy nety efa vita
No entina hanitsy ny fomba iainana
Ny nenina tononkira.serasera.org aza atao handatsa
Fa ento hampitraka
Mba ho mpandresy anao
Ny mangidy mbola ho mamy
Raha miloitra hatrany mitraka ianao
Ny sento grsxkuvt ny vetson’ny omaly
Ny sento ny vetson’ny omaly
Tsy maintsy mbola hifaly sy uvlta hazava ho anao

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0132