Fihantahantako (Ny Avo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy misy fatiantoka
Ny manompo an'Andriamanitra
Tsy avelany ho very, tsy avelany ho irery
Fa tena azo antoka.

Tsy misy hatahorana
Mivaha ireo fatorana
Mahazo tombony e!
Miavaka rehefa mpanompony e!

*Sambatsambatra ery
Mihantahanta Aminy
Na dia misy manjo
Toa adino avokoa.
(X2)

Ilay fihantahantako e! (Fihantahantako e!)
Na dia be ny adalako e! (Izy fihantahantako e!)
Izy fihantahantako e! (Ilay fihantahantako e!)
Mamela ny fahotako e! (Fihantahantako e!)
....
Tsisy toky azo antoka
Afatsy Andriamanitra
Azo hitarainana
Raha sendra olana eo amin'ny fiainana.

Tsy misy hanenenana
Fitia fanaperana
Mahazo tombony e!
Miavaka rehefa mpanompony e!

*Sambatsambatra ery
Mihantahanta Aminy
Na dia misy manjo
Toa adino avokoa.
(X2)

Ilay fihantahantako e! (Fihantahantako e!)
Na dia be ny adalako e! (Izy fihantahantako e!)
Izy fihantahantako e! (Ilay fihantahantako e!)
Mamela ny fahotako e! (Fihantahantako e!)

....

Eh! Sambatsambatra ery
(Mihantahanta Aminy)
Na dia misy manjo
(Toa adino avokoa)

Ilay fihantahantako e! (Fihantahantako e!)
Na dia be ny adalako e! (Izy fihantahantako e!)
Izy fihantahantako e! (Ilay fihantahantako e!)
Mamela ny fahotako e! (Fihantahantako e!)

Hmmm!! (Ilay fihantahantako e!)
Tsy misy fatiantoka e!
Manompo an'Andriamanitra (Ilay fihantahantako e!)
Tsy misy hanenenana
Fitia fanaperana (Ilay fihantahantako e!)
Hmmm!!
Sambatsambatra ery, (Ilay fihantahantako e!)
Eeeh!!
Mihantahanta Aminy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Avo
Vangy : 194
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 27/03/2024 09:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1175