AMPY HO ANAO (Ny Avo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitandrema ianao
Miambena ianao
Fa aza dia varimbariana
Fa ny ratsy anie tsy kely lalana
Mikendry anao mandrakariva
Aza mety hisarangotin'ny ota
Mikasa hamandrika anao
Ny devoly lavò tsotr'izao
Fa mitady hisotasota

Fa ampy ho anao
Ny fitiavany
Fa ampy ho anao
Ny fahasoavany
Fa ampy ho anao
Ny nanolorany ny ainy
Efa voavidiny tamin'ny ràny ianao
Tambonin'ny hazo fijaliana
Jesô nijaly noho ianao

Hamafiso tsara ny finoanao
Dia tsy ho voahozongozom-poana
Mazotoa miantso an' Andriamanitra
Raha te hiadana finaritra
Ary aza matahotra intsony
Ny tebiteby ajanòny
Fa ny Tompo no hiady ny adinao
Fa ianao dia hangina

(2×)Fa ampy ho anao
Ny fitiavany
Fa ampy ho anao
Ny fahasoavany
Fa ampy ho anao
Ny nanolorany ny ainy
Efa voavidiny tamin'ny ràny ianao
Tambonin'ny hazo fijaliana
Jesô nijaly noho ianao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Avo
Vangy : 495
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Diavo
Daty : 27/09/2023 17:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733