TSISY TSINY (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zovy no tsy mahalala fa ny fitia tsy lalao?
Zovy no tsy mahafantatra fa tsy ahy ianao?
Nahoana re no misy fitia tahaka izao?
Sangisangy mihoatra ny loha saingy natao
              Raha mbola misy ny fahazavana
              Na dia mbola eo ihany ny hatanorana
              Fitia toy izao dia fitia nangalarina
              Ka tsy maintsy hasiana fitsaharana

REF    Misaotra anao aho fa tena nahita
           Fahafinaretana ary alahelo tsy vita
           Aza hialanao tsiny, f’izaho koa nahatsapa
           Fa fitia dieny voalohany efa voakapa
                    Loza no mety hitranga raha mbola tohizina
                    ’Zao fiarahantsika izao fa sao lasa maizina
                    Ny fiainana ’zay miandry antsika any aoriana
                    Avelao aho ho irery hieritreritra mangina

Zovy no tsy mahalala fa ny fitia tsy lalao?
Zovy no tsy mahalala fa tsy ahy ianao?
Nahoana re no misy fitia tahaka izao?
Sangisangy mihoatra ny loha saingy natao
              Iny, ry namako iny, mandehana mankany
              Fa ny mendrika ho anao dia ny miaraka aminy
              Manaova toy ny anareo irery no eto an-tany
              F’izaho kosa ho aloka miserana ihany

REF

                                      NJILA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 3309
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Linah D
Daty : 12/07/2003 11:50
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0281