SANGISANGY (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sangisangy fotsiny ihany (2x)
No niarahako taminao
Tsy ho avy intsony aho
Hitsenanao eny an-jaridaina
Tsy hifoha intsony aho
Hanatitra anao raha vao maraina
Tsy hangetaheta intsony aho
Hiandry ny Alakamisy hariva
Andro fahitako anao
Eo an-kamorin’ny fitia (2x)

Tongatonga ho azy teny
Ireo laingalainga fambarako anao
Tongatonga ho azy teny
Ireo toetra ratsy tsy mba nafeniko anao
Tongatonga ha azy teny
No nilazako fa tsy tiako ianao
Dia tongatonga ha azy teny
Ilay andro iray izay nandaozako anao

NJILA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 2473
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Linah D
Daty : 04/08/2003 06:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0737