Ravorombý (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ivimbino herin-tsaina any aho
Raha sendra ka hisidina any ianao
Ravorom-by manidina iny, iny, iny
Itondray vatsy vaovao avy any aho
Fa lany ny aty

Leo ny fahantrana aho
Leo ny anjara masoandro tsy ho azo
Leo ny manantena tsy misy, tsy misy, tsy misy
Leo ny fiainana mikorosy andro aman’alina aho

Aza lalovanao ny aty
Vangivangio matetika
Lany vatsy ny aty ka vonjeo
Ritra ny herin-tsaina ho enti-miady
Faingana ianao f’aza variana any ho any

Ny hiranay mirahalahy
Tsy hangina intsony fa hisy handre
Ho ren’ny vazan-tany maro, marobe
Miaina ao anatin’ny haizim-pito
Miandrandra hazavana

Ento manaraka anao any aho
Ra-vorombý manidina iry
Lany vatsy......

                                      NJILA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 2389
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Linah D
Daty : 10/07/2003 08:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2884