Rapeto (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O ! Angano angano arira arira o !
No atolotra anareo o! izay manatrika eto
O ! Ka misaotra anareo o !
Izay nanongilan-tsofina o ! ka nandre izany

Nampanantena volana zaza Rapeto fahizay
Ho kikalaon’ny zanany lahy nihanta tamin-dray

Rapeto toa niantehitra sy nanampatra ny halavany
Ravolana tsy nanaiky izany nampianjera azy tamin’ny tany
Efa fantany ihany koa fa tsy ho efany anefa izany
Fahafatesana ihany sisa niandry azy teto an-tany

Refrain :
Ilay kely kosa re toa nangaina foana teo
Niara-nafohiny teo Ravolana sy ny rainy

Hanatra ho an’ireo efa zatra mpanao ronono an-tavy
Miantehitra amin’ny lainga maro sy fitaka mamosavy
Lazaina daholo manko io antsanga tsy aman’orana io
Manantena toa an-dRapeto kanjo sendra loza sy tadio
Koa samia ary mieritreritra mandinika sy mandalina
Fadio re ny laingalainga tsy aleo ve manao ny marina ?

Refrain :
Mampieritreritra e ! ny zavatra toy izany
mampieritreritra e ! mahalasa ny vinany.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 2123
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ng Guim Hong
Daty : 26/02/2004 08:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3859