Izahay sy Malala (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zahay sy i Malala
Fony vao nifankatia re
Nitondra ny mafy
Nibaby fahoriana
Isan’andro izao
Tsy mahita andro mihiratra
Fa haizina foana
No mba niainanay

Ny lalana nodiavina
Tsy hitanay intsony
Noho ny hetraketraka
Sy ny sompatry ny hafa
Ny anjara masoandronay
Dia takona tanteraka
Tsy tsapanay intsony
Izay mba mamin’ny fiainana
Nandalo fisedrana
Mafy tokoa zahay
Namakivaky onja
Sy loza marobe
Zahay sy i Malala
Fony vao nifankatia re
Nitondra ny mafy
Nibaby fahoriana

Eny na dia ireo
Namana izay itikisana
Dia tsy menatra hivadika
Hitsangan-ko fahavalo
Mahagaga anay
Raha ny zava-bitany
Ka nanjary nampakivy
Ambony ihany anay izany

Izy ireny indrindra mantsy
No nantenain-kanirina
Kanjo loza fa vao maika
Nampivandravandra
Tena mafy izany
Fa aza manody re
Mangidy raha mangidy
Izay nentina hatrizay
Tsy fantatra intsony
Izay mba azo iantsampazana
Fa maizina avokoa
Ny tany aman-danitra
Izahay sy i Malala
Fony vao nifankatia re
Nitondra ny mafy
Nibaby fahoriana

Na dia mafy toy izany
Ny tafiotra namely anay
Dia tsy rendrika tsy akory
Fa tafita ihany
Nangoninay avokoa
Ny herinay rehetra
Hoenti-manarina
Ny fahavoazanay

Ireo endrikendrika
Nanenjehana anay
Dia navadikay ho fanilo
Nanazava ny dianay
Nefa nioman’izahay
Mba tsy ho reraka ao am-po
Ka nifampahery
Tsy ho kivy ambony ihany
F’ity tany ity anie
Ka tsy ilaozam-pahoriana
Ka hadalana raha toa
Ho lavo amin’izany

Izahay sy i Malala
Fony vao nifankatia re
Nitondra ny mafy
Nibaby fahoriana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 8366
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 10/09/2002 11:33
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2332