Injay ilay feo (Naly Rakotofiringa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Injay ilay feo,
Injay ilay feo fa tonga indray
Manako hatraiza hatraiza
Hatraiza hatraiza hatrany am-pita
N'aiza n'aiza misy anao
Handrenesanao izao
Dia fantaro fa ilay feo
Dia ilay tenako rehetra
Ilay tenako, fanahiko
Hanatony anao ilay feoko
Horotsiako eo anilanao

Fa na haingana na ho ela
No hihirako ho anao
Dia fantaro, dia fantaro
Fa indray alina any mbola ho avy
Ilay kintana hampiseho ny endrikao

Fa oviana kosa hono
Izany andro izany
Fantaro, tsarovy izao, fantaro

Injay ilay feo
Injay ilay feo fa tonga indray
Manako hatraiza hatraiza
N'aiza n'aiza hatrany am-pita
N'aiza n'aiza misy anao
Handrenesanao izao
Dia tsarovy foana izao
F'ilay teniko rehetra
Dia tenako rehetra
Ilay tenako, fanahiko
Hanatony anao ilay feoko
Horotsoiko ho eo anilanao
Fa rahoviana kosa honoo
Izany andro izany
Dia fantaro , dia fantaro
Fa ao indray androany


Mihira : Ossy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Naly Rakotofiringa
Vangy : 1512
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 28/03/2020 17:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735