Fitiavana ihany (MIARA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fitiavana ihany,no omeko anao
Ka aza tomany toa izao!!
Akipio ny maso,dia mba sainonao
Fa ts’isy hoé andraso,dia tiako ianao
Fa na mangatsiaka aza ny andro ety
Mafana raha misy fitia
Ka am-pifaliana é! atolotro anao
..ilay fitiavana mamy hanjakao!!
Ref: Fitiavana ihany ,no anton’izany
Fa tsy rendrarendra na kisendrasendra
Ireo mpankahala, hisitaka hiala
Fa hanjaka amintsika NY FITIA
Tsy vola sy harena ,tsy fananana
Fa tsy manan_komena aho raha izay
Fitiavana ihany, dia tsarovinao
F’indray mipi-maso...dia tiako ianao
Fa na mangatsiaka aza.....
Ref (2fois)

Tarika MIARA
(Tantely ANDRIAMIHAJA )
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/miara/fitiavana-ihany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIARA
Vangy : 2602
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fitiavana
Daty : 13/04/2004 12:34
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0591