Sao dia (Melky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Teny isika roa
Dia samy revo tokoa
Fa latsa-pitia tsy nifankafoy
Tsy te hahalala izay nandrara tamin’izay
Fa dia vao mainka indray
Nifandray

Samy niezaka teo
Ary dia tsy nisy ireo
Nikolo fitia tamin’izay naseho
Kanefa ankehitriny tsapako amin’izay
Fa ny hevitrao kay,
Dia tsy hijanona ho ahy

Sao diso lalana izaho sy ianao
Minia manao izay tsy fanao,
Niandrandra ilay hasambarako aho
Hoe mba hitoetra aminao
Tsy mety to rahatr’izao
Tsy haiko ny ao an-tsainao
Izany ihany aloha efa tompon’ny momba anao
Ny ahy ihany koa
Sao any an-kafa no anjarako!

Raha ny eto an-tany
Ny olon-tsara tsy lany,
Fa misy tia ahy koa any ho any
Izay afaka hampilamina ny fiainako
Fa raha ny amintsika roa
Aleo samy ho to ny fo, ô ô ô

Fa diso lalana izaho sy ianao
Ninia nanao izay tsy fanao
Niandrandra ilay hasambarako aho
Hoe mba hitoetra aminao
Tsy nety to rahatr’izay
Fahoriako indraindray
Izany ihany aloha efa ho haolo mandrakizay
Ny ahy ihany koa
Aleo an-kafa no anjarako

ô ô ô... miala tsiny aho ... izay no eritreritro...

Diso lalana izaho sy ianao (fa diso lalana)
Minia manao izay tsy fanao (minia manao izay tsy fanao)
Niandrandra ilay hasambarako aho
Hoe mba hitoetra aminao
Tsy mety to rahatr’izay
Fahoriako indraindray
Izany ihany aloha efa ho haolo mandrakizay
Ny ahy ihany koa
Aleo an-kafa no anjarako
ô ô ô
Ny ahy ihany koa
Efa any an-kafa no anjarako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Melky
Vangy : 669
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : dd
Daty : 14/04/2023 00:58
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124