Mihoatra izay noheveriko ( -- Mbola tsy fantatra --)

Tsy voahisa intsony ry Ray
Ny fahasoavana avy Aminao
Azoko foana isan'andro isan'andro
Misy izay tsy tsapako akory
Ny fahasoavana avy Aminao
Misy izay tsy sitrako akory
Kanefa Ray
Ireny rehetra ireny
Anefenao ahy ho mendrika Anao
Izay avy Aminao
Anefenao ahy ho mendrika Anao
Ry Tompo

Ref: Ka deraiko hatrany
        Ankalazaiko ny anaranao
       Fa tsara ny nataonao ahy ry Tompoko
       Mihoatra noho izay noheveriko ouu..

Kanefa tsy ny soa ihany
No azoko avy aminao Ray
Fa na ny raTsiky dia ampytsy koa aza
Dia raisiko
Izay avy aminao
Anefenao ahy ho mendrika Anao
Ry Tompo

Ref:Ka deraiko hatrany
       Ankalazaiko ny anaranao
       Fa tsara ny nataonao ahy ry Tompoko
       Mihoatra noho izay noheveriko
       Ka hirehareha aho
       Manana anao ry Kristy o
       Fa tsara Ianao mpanao ny tsara Jesosy o
       Mihoatra noho izay noheveriko

      Ka deraiko hatrany
      Ankalazaiko ny anaranao
      Fa tsara ny nataonao ahy ry Tompoko
      Mihoatra noho izay noheveriko ouu...x 3

Ny KALO
      

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : -- Mbola tsy fantatra --
Mpamaky : 1435
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Dadann
Tamin'ny : 05/05/2016 23:14:38
ID : 8498

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo