Jesoa Lovasoa ( -- Mbola tsy fantatra --)

Hira faneva Vokovoko Manga FJKM 45 taona
Jesoa lovasoa

1) Izao anio izao no andro fandresena
Izay fotoana efa nomena nekena
Fa Jesoa irery ihany, sy ny filazantsara
Hanafaka antsika sy hanambara

Fa ny tenin'Andriamanitra tsy miova
Hilofosy mafy re fa io no lova
Hampiorina anao, hanampy hery koa
Isaorana ny Tompo iray tsitoha.

Réf:
K'aoka ho fantatrao, tandremo koa
fa tempolin'Andriatononkira.serasera.orgmanitra ianao
ka tsy mendrika ny zava-mahadomelina
sy ireo izay mety hanimba anao koa
Aoreno re, ny finoanao
ho toky hery fiarovan-doha

2) Taomy sy ilazao koa ireo namanao
fa Jesoa ilay Tompontsika tsy handao
ka sahia milofo re, miezaka avokoa
hiala amin'ny ratsy teo aloha

Miomana ianao dieny izao, fa ho afaka tokoa ny tenanao
fo sy saina ary fanahy, ho an'izay tena sahy
mijoro tsy mirona an-davaka

ref x2:...

Hevitra mandeha

djrindra (18/06/2019 14:45:35)

Tsara ity hira ity, mila mandray lesona momba ny tempolin'Andriamanitra fa ratsy ny toaka

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : -- Mbola tsy fantatra --
Mpamaky : 2732
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : djrindra
Tamin'ny : 19/02/2014 18:30:46
ID : 6464

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo