Andao hikorana ( -- Mbola tsy fantatra --)

https://tononkira.serasera.org/hira/mbola-tsy-fantatra/andao-hikorana

Hirahira no kaloinay
Entinay ho fiharabana
Fo sy saina tianay hiray
Faly ianao ka ho tamana
Vao fiandohana fotsiny nef'izao
Mbola maro ny hafaly anao

Aza miala fa mijanona
Hatramin'ny farany

Hikorana hifaly isika
Alefaso ny mozika
Ka ataovy zay azo atao
Sy zay mety haftononkira.serasera.orgaly anao
Ndao mba hiaraka hiala voly
Adinoy zay mety hampahory

Aza miala fa mijanona
Hatramin'ny farany

Fa tianay raha mba hampahery
Ity andro iray ity
Zay atao dia tsisy an-tery
Ny tanotsika hifankatia
Ka andao hiaraka hikorana
Ny mifaly dia tsy mba rarana

Aza miala fa mijanona
Hatramin'ny farany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : -- Mbola tsy fantatra --
Mpamaky : 1428
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : herya
Tamin'ny : 02/04/2020 10:23:41
ID : 12208

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo