Mama lova (Martiora Freedom)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho an'zay mbola misy reny
('zay tsis reny)
Araraoty lay fitiavany....Fa iray ihany
Tokana mandalo fotsiny ihany...
Haaaa......Martiora Freedom


Ref : Isaorana enao é
Voninahitra avo indrindra, Hatsarana ô
Fitiavana ao anatiko mitobaka tsy tana
Ifonanana aminao raha mbola misy ny adalana

Fa mbola hisy indray andro any é!
Hisarahan-toerantsika eto an-tany ô
Fitiavana ao anatiko mitobaka tsy tana
Ifonanana aminao raha mbola misy ny adalana



Tiako enao ka tiako
Raha tsy misy anao angamba mety ho diso lalana...(loharanom-piadanana)
Misaotra anao nampianatra, ny fiainana fianarana
Akaikinao zaho lay tsara tantana...(Mamako)

Tsy voavalikou
Lay fitiavana 'zay tsy voafetra izay nomenao ahy
ampy ahy ialana @ reo fanahy ratsy fakam panahy
Mamy ianao, tsy foiko ianao
Tsy misy toa anao, mangidy ny fiainana raha tsy misy anao (Ramamany)

Misaotra anao nampiseho masoandro
Fahendrena sy toro-dalana mifono hafatra isan-andro
Ka ifonako ry mama...reo adalàna nanafitohana nampitomany
nanenenako daholo izany
....satria izy iray ihany!
Ratsy B anie ry zoky 'zany zany atao hoe : very mama izany...
Tsy zaka zany vava izany...
aina iray ihany.

Ref...



Ma....hona kely aho dia
Fa nilaozanao ahy tamin'iny....
Tsy nahalala fitiavana aho tamin'iny
Zaho 'lay mena vava
Tsy mbola mibadabada akory..
tsy nahalala izay ambonin'ny tany ...
revon'ny tontolo indray,
marary aho zaho mamay
manimanina mamerovero ny anao lahy
Feno ny alahelo ao am-poko ao
tsapako fa banga fitiavan-dreny o'ah zaho ô
fa soa ihany fa za mba tsy naditra
nahay nitana ny ambom-poko nahay namisavisa
Eny ré, tsisy tsiny ny @iny...
Fa efa zay aloha ny @ iny
Zanahary no nandahatra iny lalana iny

'Zao zah izotra moramora...
Fa mba tahinareo ny lalako tsy ho goragora
Dia ataoko tsapako fa 'zah mba nisy reny
Dia nahazo teny mamy tsirona tantely

Ref...
--------
Rohy:
Hevitra
jhonalevoyou2016 ( 03/10/2016 05:45)
sur e mlay
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Martiora Freedom
Vangy : 2938
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : razafindrakototahina1000
Daty : 02/10/2016 23:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0802