tsy misy hahasolo anao (Marion)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Teo aloha tsy mba nandinika ny saiko
Toa tsirambina ireo rehetra natao
Tsy nitsinjo izay hiseho any aoriana fa nanao izay hahafaly ahy
Iny ianao nangina nolazaiko fa variana
Diso anefa aho hoy ianao
Nitomany ianao toa tampoka ho ahy
Tia aho ka tsy sahy, hoy ianao mijery ahy
Fitiavana no ilaiko izay nataonao hofafaiko, hoy ianao

Tsy misy hahasolo anao
Ireo diso, eny avelao
Any andro izay ireo ditrako hatrizay
Hiova ho fahendrena hanaja anao ilay efa nekena
Raiso ny tanako androany, hadinoy ireo vitako hatrizay
Ilay fitia ho anao izay niery tato anaty
Tsy miova ho anao na mandra-maty ho mandrakizay

Izay vitako na kely aza fafianao
Fa mba tonga saina kely aho anie androany
Izay mamy aoka eny aza ariana fa natokako hoanao
Ny foko no miteny mba raiso ho anao re na dia kely
Tsy tofoka aho na tsy mba niteny, nandefitra aho raha navela irery
Nahafantarako anao ireny ny hatezeranao tsy mba heno
Kanefa aleoko ihany mibedy anao na manontany

Tsy misy hahasolo anao
Ireo diso, eny avelao
Any andro izay ireo ditrako hatrizay
Hiova ho fahendrena, hanaja anao ilay efa nekena
Raiso ny tanako androany, hadinoy ireo vitako hatrizay
Ilay fitia ho anao izay niery tato anaty
Tsy miova ho anao na mandra-maty ho mandrakizay

Ny foko no mijaly, mahita anao tomany
Ka mamela ry tiako aza mbola lavina aho androany
Tena tia anao foana aho na nania

Tsy misy hahasolo anao
Ireo diso, eny avelao
Any andro izay ireo ditrako hatrizay
Hiova ho fahendrena hanaja anao ilay efa nekena
Raiso ny tanako androany, hadinoy ireo vitako hatrizay
Ilay fitia ho anao izay niery tato anaty
Tsy miova ho anao na mandra-maty ho mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Marion
Vangy : 6555
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : tianjhi
Daty : 01/10/2012 11:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.115