Sakafom-pitiavana (Marion)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isan'andro manembona anao
Indrindra moa rehefa mody masoandro
Tsy mana-namana,
Tsy misy an'iza mba hitafatafako
N'aiza n'aiza izay toerana aleha
Ahitako anao iny baby
Manaloka ny endrikao
Eny aloka ihany kay
F'izaho irery eto ihany
Eny aiza ianao baby

Mahatsiaro anao izaho ry malalako
Tsy mahafoy na te ho any aza tsy afaka e
Te hisafo anao anie izato tanako
Ny embona anao aty ange tsy zakako e

Indray andro any hamonjy ny ankany izaho
Dia ho ataoko mahitsy ny lalako e
Any aminao zaho no mivantana ô ô
Hanomany sakafom-pitiavana e e

Miantso aho tsisy mandray
Eny asa angamba
Sahirana izy any
Sa ahiahy tsy ihavanana angamba ny ahy
Ataoko angamba fa izy tsy ho sahy

Hamitaka hamitaka ahy
Hamadika hamadika ahy
Mil'ho vaky ny loha
Manaloka ny endrikao
Eny aloka ihany kay
F'izaho irery eto ihany
Aiza ianao baby

Mahatsiaro anao izaho ry malalako ô ô
Tsy mahafoy na te ho any aza tsy afaka e
Te hisafo anao anie izato tanako
Ny embona anao aty ange tsy zakako e

Indray andro any hamonjy ny ankany izaho
Dia ho ataoko mahitsy ny lalako e
Any aminao zaho no mivantana ô ô
Hanomany sakafom-pitiavana e e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Marion
Vangy : 7100
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 23/11/2020 23:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721