Masoandro maraina (Gasy Unity) (Marion)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha toa ka nangina ianao ka toa nahatsiaro jaly
Raha toa ka ny sento no mangeja toy ny omaly
Ho avy aho anio hizara ho anao indray ny hafaliana
Ho avy aho anio hamono afon' ny fahoriana

Masoandro efa dify foana no hany mba namana
Ilay haizimpito tsy mba ho maraim-baovao
Hany mameno, mangeja ny andronao
Dia tonga eto anio hanome tsiky sy aim-baovao.

Hatramin'ny oviana no hoe raha misy namana
Nanary anao tany fa saingy hoe mbola sarotra
Manampy foana ireny, mahatsiaro foana ombieny
Mivavaka ho anao, eny fa tsy miteny

Atolotro ho anao, ho anao ilay fitia
Atolotro ho anao ity hirako ity
Mba hanome aina ho masoandro maraina
Mba ho hery vaovao, eny fa namako ianao

Masoandro maraina, masoandro maraina
Masoandro maraina no hiposaka eo

Indraindray tsy mitovy ilay fijerinao sy ny ahy
Fa mba raiso ihany ny avy ato am-po f'aza manahy
Raiso ity tanako ity f'aza lavina
Izao mitsangàna hiaraka ho mpirahalahy.

Dia ny andro mangidy taminao tsy nanjo ho ahy
Nitondra ireo fery nahatonga anao hilofika
Foana eto anio k' alao any iny hisava indray
Raiso k'aza tsiny f'efa eto aho hanarina

Hatramin'ny oviana no hoe raha misy namana
Nanary anao tany fa saingy hoe mbola sarotra
Hanampy foana ireny, mahatsiaro foana ombieny
Mivavaka ho anao, eny fa tsy miteny

Atolotro ho anao, ho anao ilay fitia
Atolotro ho anao ity hirako ity
Mba hanome aina ho masoandro maraina
Mba ho hery vaovao, eny fa namako ianao

Ka holazaiko androany fa na dia maro sakana
Tsy mamela antsika ho zara rava maina
Mafy orina mantsy, iray aina iray vatsy
Masoandro ho ahy sy ho anao, na ho soa na ho ratsy


Tonony sy feony : Marion
Mihira : Gasy Unity
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Marion
Vangy : 7655
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 15/01/2015 00:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.285