Masina (Marion)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MASINA
Isan'andro aho sasatra manontany tena
Hoe mendrika ho zanakao ve?
Raha izay niainako,sy ireo efa vitako
Dia tsy mendrika ny hiantso ny anaranao akory


Nanota aho dia nibebaka, navelanao!
Nolavon'ny aretina aho, sitraninao!
Nefa impiry moa aho no nanda Anao
Fa raha tsy efa voadona anie aho tsy nahatsiaro Anao..


Masina, Masina! ,tena Masina Ianao Tompo o!
Be fitiavana, fitiavana
Fa raha tsy eo Ianao,tsy eo Ianao
Dia mba ho aiza moa aho


Ny lasako manontolo(Isaorako Anao,isaorako Anao)
Fa matoa izaho mbola eto dia noho Ianao
Fa mafy anie ireo sedram-piainana,
Dia maro ko ireo fankam-panahy
Fa tsy hiemotra aho, tsy hataotra aho
Fa efa mialoka eo ambany elatrao


Nanota aho dia nibebaka, navelanao!
Nolavon'ny aretina aho, sitraninao!
Nefa impiry moa aho no nanda Anao
Fa raha tsy efa voadona anie aho tsy nahatsiaro anao


Masina, Masina! ,tena Masina Ianao Tompo o!
Be fitiavana, fitiavana
Fa raha tsy eo Ianao,tsy eo Ianao
Dia mba ho aiza moa aho

Tompo oh! tsy mendrika ny atao hoe zanakao aho
Tompo oh! tsy mendrika ny hidiranao ao ambany tafotranoko aho
Tompo oh! tsy mendrika akory ny hitsimpona izay sombitsombiny latsaka eny ambony latabatrao aho



Tsanta
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Marion
Vangy : 1177
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tsanta07
Daty : 27/09/2019 18:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721