Lazao fa tia (Marion)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
An an an!!!,
yeh yeh!! yeah!

Iny lanitra iny anao
Ho banjino fa izaho tsy handao
Eny lavitra no misy anao
Aty ny foko mbola mitempo foana a! ah!

(Lavitry ny maso ianao)
Ka ny aty mahatsiaro tsy hay ny hatao
(Ianao any ve mba toa ahy)
Lavitra ahy ianao
(Tsisy mpanafana tsy eo ianao)
Ôh oh ôh!!!
(Irery lava izao, tsy hay ny atao)

Lazao fa tia foana ianao
Ka izaho irery no ao am-ponao
Eny aza adino fa na dia lavitra aza
Anao irery, izaho sasa-miandry.

Yeah!
Efa fantatrao, eny fa tsy hisy hasolo,>
Ilay toera-mangina ato am-poko,
Angamba mety tsy azonao an-tsaina!
Alahelo lava izao no tanisaina.

(Aiza foana ianao
Manina ny aty
Raha mba mahatsiaro mba modia)
Izay misy anao tsy hay
Ataoko ahoana moa
Izaho irery mahatsiaro tsy mety mino
Ianao milaza foana hoe tsy hanadino.

(Lazao fa tia foana ianao)
Fa mbola tia!
(Ka izaho irery no ao am-ponao)
Na dia lavitra.a.aza!!
(Eny aza adino fa na dia lavitra aza)
Anao ire..ry!!
(Anao irery, izaho sasa-miandry)
Ôh ôh ôh!!!

Lavitra ny taona tsy hay izay miseho
Toa mamisavisa alahelo
'Nefa angamba aho tsy hino ('Nefa tsy hino)
Ianao no hahavita izany
Hanadino, hamadika ahy
Aiza no hisy ahy.

Ôh oh ôh!!! yeh yeh! yeah!!
An!..yeh! eeh!eh! eh!yeah!!

(Lazao fa tia foana ianao) Hey!
(Ka izaho irery no ao am-ponao) Izaho tsy manadino anao!
(Eny aza adino fa na dia lavitra aza) Na dia lavitra aza!
(Anao irery, izaho sasa-miandry) Izaho dia sasa-miandry manantena anao!

Lazao fa tia foana ianao) Manantena foana!
(Ka izaho irery no ao am-ponao) Ka izaho irery no ao am-ponao!
(Eny aza adino fa na dia lavitra aza) Hey!..Na dia lavitra aza!
(Anao irery, izaho sasa-miandry) Mbola miandry anao foana aho!

(Lazao fa tia foana ianao) Na dia lavitra aza!
(Ka izaho irery no ao am-ponao) Ôôh!, yeh yeih!!
(Eny aza adino fa na dia lavitra aza) Ôôh! ôh!..
(Anao irery, izaho sasa-miandry) ..Ôôh! ôh!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Marion
Vangy : 10941
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ityah
Daty : 29/08/2009 12:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6066