You are here: home > Tononkira > Marion

Embona (Marion)

Oie ie e! n'aiza n'aiza misy ahy,
mitoetra foana anilanao
no masaka ao an-tsaiko ao,
ny toerana no lavitra
ny foko anefa hatramin'izao
dia mihaino ny alahelonao,

Eny ekeko lasan-davitra aho aty,
sarinao sisa hanariana dia,
ny fotsika ireny nifankatia, a a a
eny ekeko lasan-davitra aho,
mivadibadika tsy tafandry,
voatsiaro teo reo hafaliana

Zaho aty tsy mahasaraka sy tena tia,
manantena f'indray andro any
hotanteraka ny faniriana

ie ie ie, hitoetra foana anilanao,
eee miandrandra fiainam-baovao,
sanatria Tsiky dia ampyraha hifandao
mbola hiverina aho
hanamafy indray ilay fitiavana

ireny orokoroka sy tambitamby,
lay fanaotsika mody masoandro
mampanembonembona ahy androany,

ianao ilay mitanondrika any ho any,
malahelo rotsaka tomany,
ny tsiahy anao mitombo hatrany hatrany

Eny ekeko lasan-davitra .... hanamafy indray ilay fitiavana,

ny foko sy ny saiko any aminao hatrany hatrany,
tsy miova tsy mivadika eny na dia lavitra any,
hiady mafy foana ho an'zay mpaka fanahy,
iriko foana koa ianao mba ho toy izany,

zaho aty, tsy mahasaraka sy tena tia ...

Hevitra mandeha

haissa (17/06/2016 08:10:34)

tohizo fa tsara e! doraintsa be a!

Tohiny Hametraka hevitra

Mpihira : Marion
Mpamaky : 14317
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Menasoa
Tamin'ny : 05/08/2013 15:40:39
ID : 6355

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo