Valio anie aho (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mandongilongy, tsy mety hisinda
Zary midongy sy mivindavinda
Ireo maraina sarak’olon-tiana
Toa raho-mitatao manamaloka taratra
Ora-mitraho mihombo ho oram-baratra
No toetry ny andro ao am-po mangina

Valio anie aho, valio anie aho
Moa manina ianao indraindray
Valio anie aho, valio anie aho
Sa efa sondriana ka tsy mahatsiahy ?

Ny voahary manerana mandà ny hitraka
Toa miantso fitserana fa mila tsy ho zaka
Ireo andom-pahatsiarovana
Tsy tiana ho antsoina, tsy sandry hialofana
Fa fo sendra voina, tsiahy no hirakofana
Ka ny fanahy no zary torovana

Valio anie aho, valio anie aho
Moa manina ianao indraindray
Valio anie aho, valio anie aho
Sa efa sondriana ka tsy mahatsiahy ?

Manangana avana ny lanitra manga
Mihira fitiavana fa manangasanga any ho any
Ilay olon-tiana
Ny voahary mifoha, tsy toy ny omaly
Fa tonga tokoa ilay mpamalifaly
Ireo voronkely mihira fihobiana

Fa tonga ianao, fa tonga ianao
Tsy niova f’ilay nahababo
Fa tonga ianao, fa tonga ianao
Ny lanitra mirana, ny fo ravoravo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 7515
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : francia
Daty : 22/04/2006 14:02
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122