You are here: home > Tononkira > Mahaleo

Vakisaova (Mahaleo)

FIVERENANA:
Tsiritsiritsiritsiritsy (2)
Diavolana fenomanana
Manazava ny takariva
Takariva hiraisan-tsika
Takariva hiombonantsika
Homankomany ny bodofotsy fa mangatsiaka o!

Handeha zalahy handeha hamonjy
Hamonjy Vakisaova
Vakisaovan'atsimon-tsena
Vakisaovan'Ambohimena
Aiza no hatao ny kilalao ?
Ao antampon-tananTsiky dia ampyan'ANTANIVAO

Handeha zalahy handeha hamonjy
Hamonjy famadihana
Famadihan-dRazananivo
Razananivon'Ambohimiarivo
Aiza no misy an'AMBOHIMIARIVO ?
Atsimo andrefan’I Vodivorona a !

Handeha zalahy handeha hamonjy
Hamonjy didi-poitra
Didi-poitra an'i zanak'iza ?
Zanak'i dadamanana
Aiza no misy an'i DADAMANANA?
Ilay trano mena ao avara-dalana!

Hevitra mandeha

tolotra ravoahangy (22/04/2021 12:44:51)

https://www.youtube.com/watch?v=kj9MeFMFft4

ity ilay hira ao @ youtube

tolotra ravoahangy (22/04/2021 12:31:27)

ity hira ity dia tsy ao anatin'ny listry ny hiran'ny Mahaleo, ny lohan-teny dia "vakisaova" fa misy iany koa manao azy hoe "tsiritsiry". mankasitraka @ ilay apk fa tena milay satry rehefa nijery aho dia toa isika gasy irery no nahavita ny hiran-tsika otran'io. MANKASITRAKA!

Tohiny Hametraka hevitra

Mpihira : Mahaleo
Mpamaky : 161
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tolotra ravoahangy
Tamin'ny : 22/04/2021 20:43:28
ID : 13447

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo