Tontolo iainana (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha tsy voakolokolo
Dia simba ny tontolo
Hatrany ambanivolo
Raha tsy misalasala
Mandripaka ny ala
'Reo hendry mody adala.

Raha tsy masaka ao an-tsaina
Fa tsy mamelon’aina
Ny tany karakaina e
Tsy mety zarizary
Ny fambolena vary
Ho tonga ny mosary.

Mirehitra ireo hazo
Manakatra ny lanitra
Manomboka malazo
Ireo voninkazo manitra
Afo mijoalajoala
Mandrakotra ny ala
Kila vetivety
May ny tanety.

Mihamaizina izy izany
Tsy hita ilay masoandro
Mihamaizina ny tany
Miovaova ny toetr’andro
Miharingitra ny voary e
Tsy salama tsy marary
Mananontanona sahady e
Ny ampitso mafy ady.

Fa ny masaka aho an-tsainy
Ny vola no ilainy
Ny ankoatr’izay tsy hainy
Ao dia ao ny lalàna
Mifehy ny tanàna
Ka tsy azonao ialana.

Fa ahondrany avokoa
Sokatra sy vatosoa
Izay misy tombotsoa e
Dia lazainy fa kirizy
Nefa ny azy ny valizy
Efa tsy ho omby ireo devizy.

Izy hono tsy voatery
Ny hikolokolo
Fa tsy aferan’izy irery
Raha simba ny tontolo
Fa vola no ilainy
Vola no isainy
Vola vola ihany
No mampihodina ny tany.

Adidintsika jiaby e
Ny mikarakara
Iza ary no hibaby
An’i Madagasikara
Ny taranaka ao afara ve
Dia avela handova tany ngazana
Mba mihevera tsara re
Sao manjavona tsy tazana.

A/C Raoul 1987
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 9871
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 05/10/2002 03:03
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6012