Tanalahy ny foko (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay mena valala
Izay tiana malala
Nefa ianao raha te-hiala
Dia aza misalasala

Hatrizay ianao
No tompon’ ny safidy
Izay tianao no natao
Satria ianao no didy

         Nefa tanalahy ny foko hahay hiova loko (2)

Raha ny tany malemy
Azo hanorenam-pangady
Feno eny rehetra eny
F’izaho no tsy te-hitady

Nefa raha tianao izany
Dia sahiko ny milaza
F’izao dia izao ihany aho
Hahita ny sahaza

         Satria tanalahy ny foko mahay hiova loko (2)

Tsy ny masoandro matory
No hahafoana ny taratra
Ny volana koa anie boribory
Mirehitra fatratra

Ianao no te-handeha
Soava dia, mahereza
Ny tia ahy be dia be
Be ny mitady seza

         Satria tanalahy ny foko mahay hiova loko (2)

Nefa aza manantena
F’izaho no hitomany
Na hiantso hoe miverena
Nofinofy izany

Fa fanajana anao
No nampipetraka ahy
Ianao indray no te-handao
Oadray! Soa ihany lahy

         Tretrika, tretrika ny foko hahazo hiova loko (2)

MAHALEO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 16754
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 18/07/2003 21:45
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119